MANDONDONA (The Singers of Jesus)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nandeha nizaha ny tsiron’ny tontolo. Nitady ny soa
Izay rehetra hita teny ho eny toa tsara avokoa
Tsy nandàlako hery, namoizako ny androko rehetra
Fa hay misy ihany ny fetra, nikarapoka aho.

Ref 1:
Fa nandondona tao am-poko tao ny Tompo nitomany
Reko ny antsony amiko hoe mitsangana
Tonga Aho hamonjy anao
Tsy an-tery anie fa mandondona.
Mba vohay re ny fo sao dia tara
Voafetra anie ny ora atsy afara
Tonga Aho hamonjy anao,
Hanorina ny hoavinao mandondona

Sarintsarim-piainana ihany, izao hita maso izao.
Ho rava sy ho foana atsy ho atsy, ka mivonona ianao
Nandanianao hery, namoizanao ny andronao rehetra
Voarakitra ao an-danitra, izay vitanao.

Ref 2:
Fa nandondona , ao am-poko ao ny Tompo nitomany
Renao ve ny antsony hoe mitsangana
Tonga Aho hamonjy anao,
Tsy an-tery anie fa mandondona
Mba vohay re ny fo soa dia tara
Voafetra anie ny ora atsy afara
Tonga Aho hamonjy anao,
Hanorina ny hoavinao


Bridge :

Fa izao aho dia hamoa Anao
Omeko Anao ny amiko hanjakao
Inty aho Tompo ô! Mifona Aminao
Fa nanota aho ka raiso aho
Ovay ho olom-baovao. Mandondona (4)
Oh ovay ny fonao. Mandondona (4)
Tsy an-tery anie fa
Oh! Oh! Ohohoh! Ohohoh! Oh!
Ohohoh! Ohohoh!
Oh! Oh! Ohohoh! Ohohoh!
Hanorina Aho ny hoavinao fifaliana,
Fiadanana ampoka tambitamby
Haravoana fiainana manana amby
No omeko ho anao dieny izao
Honina ao anatinao ho aminao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : The Singers of Jesus
Vangy : 15699
Mpankafy : 5 Ankafizo
Nampiditra : aro17
Daty : 22/03/2017 03:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0799