Hampifaly Anao (The Singers of Jesus)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Himpiry moa 'zahay hatrizay nanao izay tiana hatao,
Tsy niheno ny feonao ?
Himpiry nandratra ny fonao,
Nampalahelo Anao ?
Mifona Aminao.
Himpiry moa 'zahay hatrizay nanao izay tiana hatao
Tsy niheno ny feonao ?
Himpiry moa sahy nihevitra fa nety izay rehetra atao ?
Mifona Aminao Jesoa.

Tiako raha izahay indray noho hanao izay hampifaly ny fonao,
Izay no tanjonay.
Tsy haditra intsony,
Hanome izay tsara indrindra avy aminay.
Dia ho sakaiza akaiky anay indrindra Ianao.

Nandeha ny ora, ny andro, ny fotoana,
Fa tsy niova Ianao,
Tsy mba nafoy anay.
Satria izahay raha toa izao
Noho ny fahasoavanao,
Natokana ho Anao izahay.

Tiako raha izahay indray noho hanao izay hampifaly ny fonao,
Izay no tanjonay.
Tsy haditra intsony,
Hanome izay tsara indrindra avy aminay.
Dia ho sakaiza akaiky anay indrindra Ianao.

Efa saika rava aho,
Fa teo Ianao nangana ahy.
Jesoa Ianao no andry hiankinako.

Tiako raha izaho indray noho hanao izay hampifaly ny fonao,
Izay no tanjoko.
Tsy haditra intsony,
Hanome izay tsara indrindra avy amiko,
Dia ho sakaiza akaiky ahy indrindra Ianao.

Tiako raha izaho indray noho hanao izay hampifaly ny fonao,
Izay no tanjoko.
Tsy haditra intsony,
Hanome izay tsara indrindra avy amiko.
Dia ho sakaiza akaiky ahy indrindra Ianao.

Tsy haditra intsony,
Hanome izay tsara indrindra avy aminay,
Dia ho sakaiza akaiky anay indrindra Ianao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : The Singers of Jesus
Vangy : 2393
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RRkt
Daty : 15/02/2016 16:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.082