ATAO ANIE NY SITRAPONAO (Tarika Vintsy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Atao anie ny sitraponao
Hatr’ety an-trano
Hatreny an-tokontany
Atao anie ny sitraponao
Ny sakafo hoanina
Fa aza tomany
Manomboka androany aho
Raha miaraka aminao
Dia tsy hitoditodika intsony
Tsy hierikerika ,tsy hijerijery
Na misy aza fankampanahy
Raha izay no heverinao ho rehareha
Ho anao irery aho na antrano
Na eny andalambe
Atao anie ny sitraponao
Hatr’ety an-trano
Hatreny an-tokontany
Atao anie ny sitraponao
Ny sakafo hoanina
Fa aza tomany
Manomboka androany aho
Dia tsy ho alimpody
Fa hody mazava amin’izay
Avelako hatreo ny fisotrosotrona
Fa maika aho ny hamonjy anao
Raha izay no heverinao ho rehareha
Ho avy tsy ho ela aho
Fa tonga dia mba rosoy cafe
Atao anie ny sitraponao
Hatr’ety an-trano
Hatreny an-tokontany
Atao anie ny sitraponao
Ny sakafo hoanina
Fa aza tomany
Manomboka androany aho
Dia mba hitrotrotrotro
Ireo zanan-tsika roa
Izay noheverin’olona
Fa hoe kambonty adala dada moa
Raha ireo no heverintsika ho rehareha
Androany ihany aho dia hampianatra
Ilay farany handeha
AC : Andrianarisoa Hanitriniaina (Vintsy)
--------
Lien:
Commentaires
dahfara ( 11/10/2024 15:49)
Tena mbola tsy reko ity hira ity,
Mba afaka misy mandefa ve hohenoina?
Mitabeloha ( 11/10/2024 15:53)
Tao amin'ny pejy facebook sy youtube no nakako azy
dahfara ( 11/10/2024 20:44)
Mankasitraka indrindra

nohenoiko fa tena tsara be ☺️
hery ( 12/10/2024 08:57)
Tsara tokoa. Raha ny teny malagasy tokony hoe Hatao no izy fa ry zareo tompony koa aza nanoratra hoe Atao 😊
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tarika Vintsy
Visites : 46
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Mitabeloha
Date : 07/10/2024 17:36
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138