Sao mba (Tann Faya)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rahavako ooh'!!!
Mila resaka aho!!!
Mandrak'alina niodina anie oa ny saiko mba henoy aho!!!
Pisokely ooh'!!!
Ny iangaviako Anao,
Mila tony Enao mihaino ahy na inona na inona ho lazaiko fa 'zao ary ...

Refrain : 'Ndao mba ho andramana 'nge ilay miaraka sao dia mba mety ihany!!!
F' za leo minamana 'nefa 'tsika roa efa iray làlana ihany!!!
Fa sao mba ho anjarako Enao!!!
Ka raha sendra tia mba lazao ... !!!

Ny Fotoana mba tokony itadiavako Olon-tiana lany hoanao!!!
K' aza omena tsiny aho raha miteny hoe : - Tsy aleo ve 'tsika sy Enao???
Misokatra ny masoko io maraina dia Ianao!!!
Mandrapaha-mikatona io ny hariva dia Ianao!!!
Marina fa namana kanefa Ianao io 'nge Ilay Tokana, Ilay tsy afaka ao an-dohako ao!!!

Na ireo Namana, Fianakaviana efa mievitra hoe Silako Ianao!!!
Dia tsy hitako 'zay ho lazaina Ianao sady tsy Sipako 'nefa eo foana!!!
Enao mahatsapa 'zay maharary ahy!!!
Mahafaly Anao 'zay mba mahafaly ahy!!!
Lasa mandreraka, mifampitantana 'nefa tsy hiaraka, mahagaga ahy!!! Ka ...

Refrain :
'Ndao mba hoandramana 'nge ilay miaraka sao dia mba mety ihiany ...
F' za leo minamana 'nefa 'tsika roa efa iray làlana ihany!!!
Fa sao mba ho anjarako Enao!!!
Ka raha sendra tia mba lazao ... !!!

Fa ho zakanao ve ny hahita ahy ra 'za mety ho lasan' ny hafa???
Fa 'za aloha tsy hahavita hahita Anao io hanangana Love any an-kafa any!!!
Hifampizara Fiainana aminao no Faniriko!!!
Satria Enao oa tiko!!!
Enao lasa tiko!!! Ka ...

Refrain :
Andao mba ho andramana 'nge ilay miaraka sao dia mba mety ihany ...
Fa zah leo minamana 'nefa 'tsika roa efa iray làlana ihany!!!
Fa sao mba ho anjarako Enao!!!
Ka raha sendra tia mba lazao ... !!!

(miverina in-3)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tann Faya
Visites : 716
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : hery
Date : 18/05/2020 22:32
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3602