NY ZANAKO (Talent For Jesus)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dada malala ô! Leo ny eto aho
Omeo ny fananako aho e!
Ka aleo aho hisintaka
Dada malala ô! Leo ny eto aho
Omeo ny fananako aho e!
Ka aleo aho hisintaka

Oadray re ry sombinaiko ô, ty loza ambaranao e!
Fiadanana tahaka izao ve, dia indrisy ilaozanao
Fiadanana tahaka izao ve dia indrisy ilaozanao
Raha izay re no sitrakao e! ny safidy dia aminao e!
Raha toa ka tsy mety ny any, I dada dia eto ihany

Dia lasa ka tsy tana, nandao ity akany
Hitady fiainana hafa kanjo loza no niafarany
Hitady fiainana hafa kanjo loza no niafarany
Dia lasa ka tsy tana, nandao ity akany
Hitady fiainana hafa kanjo loza no niafarany
Hitady fiainana hafa kanjo loza no niafarany

Dada malala ô! Miverina eto aho e!
Nanota taminao aho ka tsy mendrika ho zanakao
Tsy mendrika ho zanakao aho fa ataovy mpanomponao

Oadray re ry sombinaiko e! tsy omby ny fifaliako e!
Avia hofihiniko eto fa to zao ny faniriako
Avia hofihiniko eto fa to zao ny faniriako

Dia ampoka fifaliana, ka foana ireo tomany
F’ilay zanaka very tiana no niverina nody ihany
F’ilay zanaka mamy indrindra efa velona hiara-paly

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Talent For Jesus
Visites : 1473
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ntsoaraz
Date : 25/04/2017 12:50
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732