Antso avo (STK FJKM Ambatolampy Antehiroka Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa hitanao tsara ny zavatra mandeha
Efa henonao daholo ny efa tsy fandre
Korontana lava manao ambony ambany
Miha manakaiky ny fiafaran'ny tany

Miharatsy miharatsy ny fiainan'olombelo oh
Toa avy any amin'ny helo no ilaharana e!

Manao antso avo amin'izay rehetra mino
Raha ho avy ny andro ho rodana ny tany
Izay notoriana taminao re aza adino
Misy fiainana tsara namboariny any ho any
Aza varimbariana amin'ny fiainana mandalo
Ity tany ity anie hoy aho ka kely sisa e
Mifikira amin'ny Tompo meteza foana hahatsiaro
Izay maharesy amin'ny ady no handova paradisa

Aza dia variana havako o
Mandalo ihany ny fiainana eto an-tany
Izay tavela eto dia K.O
Katsaho isanandro ilay any an-danitra any.
--------
Link:
Comments
MbolaFitiavana ( 25/06/2025 14:40)
Hira fanairana sy fampahatsiahivana ny olona fa mandalo ny eto an-tany ary efa andro farany isika izao.
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : STK FJKM Ambatolampy Antehiroka Fitiavana
Hits : 178
Likes : 0 Like
Created by : MbolaFitiavana
Date : 25/06/2025 14:38
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
Other titles
more...
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0705