Ampidiro aloha ny tenimiafina
Antso avo (STK FJKM Ambatolampy Antehiroka Fitiavana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa hitanao tsara ny zavatra mandeha Efa henonao daholo ny efa tsy fandre
Korontana lava manao ambony ambany
Miha manakaiky ny fiafaran'ny tany
Miharatsy miharatsy ny fiainan'olombelo oh
Toa avy any amin'ny helo no ilaharana e!
Manao antso avo amin'izay rehetra mino
Raha ho avy ny andro ho rodana ny tany
Izay notoriana taminao re aza adino
Misy fiainana tsara namboariny any ho any
Aza varimbariana amin'ny fiainana mandalo
Ity tany ity anie hoy aho ka kely sisa e
Mifikira amin'ny Tompo meteza foana hahatsiaro
Izay maharesy amin'ny ady no handova paradisa
Aza dia variana havako o
Mandalo ihany ny fiainana eto an-tany
Izay tavela eto dia K.O
Katsaho isanandro ilay any an-danitra any.
--------
Link:
Comments
MbolaFitiavana
(
25/06/2025 14:40)
Hira fanairana sy fampahatsiahivana ny olona fa mandalo ny eto an-tany ary efa andro farany isika izao.
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : STK FJKM Ambatolampy Antehiroka FitiavanaHits : 179
Likes : 0 Like
Created by : MbolaFitiavana
Date : 25/06/2025 14:38
