Veloma (SOUL'DERA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Veloma eh! Veloma ry lasako any a!
Veloma eh! Isika tsy hiaraka intsony a!

Leo mijaly aho, leo miady irery
Leo tangena aho, leo fatotra sy fery
Leo mitaraina aho, Tsy nahita izay mahasoa
Kanjo nifanena, nifanena tamin’i Jesoa

Ka dia faly faly faly faly faly
Faly aho tsy misy ohatr’izany
Fa afaka tamin’ny fatotra aho
Tapatapaka tsy misy mihazona
Veloma sisa apetrako aminao

Efa Azy aho, Azy manontolo
Ny fo sy fanahy omeko Azy daholo
Tsy niandry ela, fa dia babony avokoa
Niova fifaliana ny tontolom-piainako
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : SOUL'DERA
Visites : 1491
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : zokelia
Date : 23/02/2019 14:21
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735