Tojo izay nirina (Saturne Production)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
To ny faniriko ny mba hiaraka aminao
Ela niandrasana ka tojo izay niriako aho izao
Sambatsambatra aho rehefa eo anilanao
Adinoko avokoa ny olam-pianako, mahita anao

Toa miaina amin'ny nofinofy mamy aho
Tsy eto an-tany fa misidina eny an-danitra

Ahy izao rehetra izao, tsy misy iriako intsony fa eo ianao
Ianao no rlcmjn andriko, ianao no tokiko, iorenan'ny ho aviko
Ahy izao rehetra izao tsy misy iriko intsony fa jeuhitlk eo ianao
Ianao no tiako indrindra iriko ho hatrizay, feno ny hasambarako

Tiako loatra ianao, tiako tena mamiko
Ka ny fiainako hatrizay natokako iarahana aminao

Izay haterako tiako raha mba avy aminao
Ho tiaviko ho koloiko miaraka aminao

Tsy andriko intsony ny hahita tononkira.serasera.org ireo zanatsika roa
Iriako ho toa anao hanamafy indray ny fitiavantsika roa
Izay safidinao rehetra dia ho ankafiziko avokoa
Izay tianao chéri dia mba tiako koa, iray ihany isika roa

Oh oh, eh eh eh
Ououououououou

Raha sendra misy fahoriana, raha sanatria ka ho loza
Dia ho zakaiko raha eo foana ianao

Ho leferiko avokoa izay mety adalana kelinao
Hiezaka aho chéri ho tianao doria ka ny fontsika hifangia
Tompo ô, toroy lalana tahio ny tokantranonay
Tantano re ny dia, ho eo anatrehanao, mba hahay hifankatia

Ahy izao rehetra izao tsy misy iriko intsony fa eo ianao
Ianao no tiako indrindra iriko ho hatrizay feno ny hasambarako
Ianao no tiako indrindra iriko ho hatrizay feno ny hasambarako

An an an an ksehk an

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Saturne Production
Visites : 9
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Lazamanana
Date : 27/06/2026 06:30
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2659