Lanitra mangamanga (Salala)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lanitra mangamanga o,
Saronan’itony Rahona
Fonenan’ny olo-masina
Ka iza no tsy mba ho any ry anona.

Na izaho na ianao é
Mandalo fa mpivahiny
Tsy hisy honina eto
Ka aoka mba hifamela ry anona.

Raha sendra ka velon-tsento
Ilaozan’ny havantiana
Tombon-dalana re ny azy
F’isika aza mbola ho any ry anona.

Adiady natao fahiny é
Aza mba atao intsony
Ravinkazo nanintsana
Ny sisa no ampaniriana ry anona.

Lanitra mangamanga é,
Saronan’irony Rahona
Fonenan’ny olo-masina
Ka iza no tsy mba ho any ry anona.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Salala
Vangy : 26973
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Heriniaina
Daty : 02/02/2002 21:34
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1867