Voninkazo (S.A.Am.Mi ( Sekoly Alahadin'Ambohimasina Mihira ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
[ 1 ] Mba hafa loatra
Raha samy asa-tanana
Tsy misy mahay
Nefa tsy vitsy mpanana
Fa kanto loatra
Raha samy voahary
Ny Voninkazo nataon-Janahary

Refrain :
Voninkazo
Raha ara-tantara
Dia sambatra loatra
Ka sahiko ambara
Fa na zovy mpanjaka teo amin'ny fireneny
Tsy nisy nitafy na iray tamin'ireny.

[ 2 ] Jereo tsy miasa
Ary koa tsy misasatra
Nefa dia velona
Sady tonga lafatra
Mainka fa ianao
Izay noharian-Janahary
Vao mainka hokarakarainy

Refrain : ............. (X2)

Voninkazo an-jaridaina
Mampahiratra ny saina
Mampahiratra fanahy
Voninkazo eny an-tsaha

A/C : Mami Daniel
--------
Lien:
Commentaires
hery ( 15/10/2023 15:09)
Misy antony manokana ve hoe mampiasa solonanarana maromaro ianao mampiditra hira?
Zoky1Ilo ( 15/10/2023 19:43)
Salama tompoko o !
tsy izany fa tsy tadidiko ilay mots de passe.n'ilay compte teo aloha dia efa nandramako avokoa izay mba tadidiko fa tsy nisy nety
dia namorona anakiray aho mba ahafahako manohy mametraka hira ato satria mba te-hizara aho , ialana tsiny raha toa ka nampiahiahy anareo ny nataoko.
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : S.A.Am.Mi ( Sekoly Alahadin'Ambohimasina Mihira )
Visites : 235
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Zoky1Ilo
Date : 15/10/2023 13:51
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0798