Hody indray (S.A.Am.Mi ( Sekoly Alahadin'Ambohimasina Mihira ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Sasa-niandry Ianao
Nefa izaho tsy niverina ,
Dia nitady ahy Ianao ,
Tsy namelanao aho raha tsy hitanao ;
Niantso ahy Ianao ,
Antso malefaky ny Fanahy ,
Dia namangy ahy Ianao ,
Hay ve Ianao kay tsy mahafoy ahy.

Refrain : Jesosy o! o! o!
Inty ny zandrinao
Manolo-tena ho Anao
Izao anio izao
Efa nanota aho
Ka mba mifona re
Raiso ny tanako fa HODY INDRAY aho

2- Nareninao aho ,
Izaho ilay trotraky ny dia ;
Nampitafianao
Ny tsara indrindra tao Aminao ;
Fa ny nahagaga ahy :
Hay ve ny toerako mbola tao ,
Saika hifona aho ,
Toa fety indray no nasetrinao.

Refrain : ( X2 )


A/C : Mami Daniel
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : S.A.Am.Mi ( Sekoly Alahadin'Ambohimasina Mihira )
Vangy : 190
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : zoky0ilo
Daty : 11/10/2023 20:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731