Ho avy Jesosy (S.A.Am.Mi ( Sekoly Alahadin'Ambohimasina Mihira ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
[2] Ho avy Jesosy ( X2 )
Handray ny olony
Ho any Aminy
Ho sambatra ( X2 )
Ho tody an-dapa soa
Am-paradiso soa
Hifaly tokoa ........

Refrain :
Miomana ianao dieny izao
Ny Tompo anie ka sasa-miandry ahy sy ianao
Fa manatsotra tanana Izy anio
Ny ampitso tsy ho fantatrao
Manatona Azy ianao dieny
Araraoty ny andro hahavelomanao
Mamoha ny varavarana Izy anio
Midira tsy ho neninao
Miomana ianao

[1] Hisy ho very koa ( X2 )
Tsy ho raisin'ny Tsitoha
Ho lavina tokoa
Hitomany ireo
Hidradradradra ireo
Hanenina tokoa
Tsy ho tody an-dapa soa
Ho very tokoa ............

Refrain : .........

Pont :
Famantara rehetra dia efa tanteraka avokoa
Fa ny olona dia ho tia tena
Tia vola ihany koa
Maro ireo izay hitsangana hilaza azy ho mpaminany
Tsy manaja ny masina
Aoka ianao tsy ho voafitaka
Mandre ady aty , mandre ady ary , ady etsy sy eroa
Fahoriana , loza , mosary
Horohorontany koa
Manaova ny marina
Tsy maintsy ho tafarina
Na be mpankahala ianao , dia miomana

Refrain : ............


A/C : Mami Daniel
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : S.A.Am.Mi ( Sekoly Alahadin'Ambohimasina Mihira )
Visites : 207
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Zoky1Ilo
Date : 15/10/2023 14:19
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732