Ry Ampitso ô Nahoana (Ranaivo-Ranarivelo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry ampitso ô ! Ry ampitso ô nahoana ?Ô Ô nahoana no miery lavitra ahy ?
Ry ampitso e mirenireny foana
Mirenireny foana ’zato ambiroam-panahy
Te-hahita tambitamby, tambitamby
Saingy asa kosa izao, asa izao
Ry ampitso mpampitamby,
Inona e ny rakitrao? Inona e no rakitrao ?
Ry ampitso ô, meteza hanambara
Irony andro ho avinao ve andro tsara ?
Hampandositra ny tebin’ahiahy
Hampilamina ny saina sy fanahy
Ry ampitso izay miery takona any
Fantatray fa tsy ho foana e ny tomany
Saingy nisy ireo nitondra fahoriana ô
Iantsoana anao ry ampitso, ivimbino fifaliana
Tonony: Gaston Raboana
Feony/mpihira: Ranaivo-Ranarivelo
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Ranaivo-RanariveloVisites : 14
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Kotsur
Date : 30/05/2026 15:26
