Hamoy sa hanantena (Ranaivo-Ranarivelo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Moa hamoy sa hanantena ve ny foko?
Moa ahazo fandresena sa hanjoko?
Feom-pitia mifamaly no antsoina
no antsoina ka ny ako ve no hamaly sy hanohina

Raha izany hatrany hatrany no ho ahy
Dia aleoko ho vovon-tany rangolahy
Tsy mba mora ny efa tia ny efa tia sy nanantena
Raha ho avona sy tsiny no mba omena no mba omena

Ry fitiavana ô, hatraiza, hatraiza re no fetra
Ry fitiavana aiza ho aiza, aiza re no fetra
Hatraiza re no fetra mba handreseko anao
Mba handreseko anao raha sendra azo atao

Ry fitiavana ô, hatraiza, hatraiza re no fetra
Ry fitiavana aiza ho aiza, aiza re no fetra
Hatraiza re no fetra mba handreseko anao
Mba handreseko anao raha sendra azo atao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ranaivo-Ranarivelo
Vangy : 227
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kotsur
Daty : 26/08/2023 14:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736