Vavaka ho anao ry Neny (Ramy Franck)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sambatra  izaho ry neny eo anilanao, ry neniko
Ravo ka mihoby vavaka sy mihira ho anao
Tsy vola mora dola no asetriko ho an'izany, ry neniko
Fa vavaka an'ny zaza mitalaho tsy harofy eto an-tany

Izao no andro sarobidy e
Daty iray, sy ora voafidy ô
Indrisy izaho mbola bado e
Mibadabada hoe dada o, neny
Ianao kosa toa ravo miteny
Raha tomany dia iny
Babenao neny o,
Vavaka ho anao

Koa raiso ry Neny, f'efa solon-taiza ireny, ry neniko
Ny zavatra iriako, mba hihavao ny tombon' andronao ry Neny
Jereo iny diavolam-pararano, sy ny kintana ireny, ry neniko
Mitaratra mazava, mitahy anao , ry Neny


 Izao no andro sarobidy e
 Daty iray, sy ora voafidy ô
 Indrisy izaho mbola bado e
 Mibadabada hoe dada o, neny
 Ianao kosa toa ravo miteny
 Raha tomany dia iny
 Babenao neny o,
 Vavaka ho anao
 Vavaka ho anao
 Vavaka ho anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ramy Franck
Vangy : 16244
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Bditra
Daty : 21/02/2014 09:31
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0838