Tena marina tokoa (Rakoto Frah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tena marina tokoa e
ny ohabolan-dRazantsika:
raha sendra tafihanika ny avo,
manitsaka ny mavomavo
ny lalana afak'ando, dia mora aleha
etsy kely anie ny ohabolan'ny Razana a
ny varavarana nakatona
dia mora vohaina
etsy kely anie ny ohabolan'ny Razana a

Raha manana ianao, arovy ny ory
eny e, f'izany no marina
raha tsy manana izahay, tsy haninona tsy akory
tandremo! ny lavo mbola hiarina a

Ieee.... ry Ray o! arovy ny tsy manana
ieeee.. ry Ray o! anamboary fiadanana

Fa ny volanao e!!
Ny volanao ry mpanana a
tsy hoentinao milevina
tandremo ny fisainana a
(tandremo lahy)
tandremo ty famindranao
fa ny lavo mbola hiarina a
mbola ho ela ny andro iainana e

ieeeee. ry Ray o.....sns


(Ekena rangah à)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rakoto Frah
Vangy : 39
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : DaheryJunior
Daty : 23/02/2026 17:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0391