Ny zanako (Rah-Ckiky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny ratra napetrakao dia mbola hanolatra
Ny rano nararakao ho lasa fahatsiarovana ahy
F’ androany aloha malahelo anao ny fo
Tsy aritra ho aretin’andoha
Fa rahampitso indray mety ianao no hahatsiahy
Mety koa hoe hitomany ahy

Fa raha misy ny mahavariana
Na koa irina na koa tiana
Ny zanako ihany aza ampijaliana
Na koa hoe ampihafihafiana

Fa na hoe te-hiova toerana,
Te-hanambady ianao na mitovy amin’izany
Ekeko ihany tsy ho tantiko izany
Raha hitomany herinandro ihany

Fa raha misy ny mahavariana anao
Na koa irinao any na efa tianao
Ny zanako ihany no aza ampijalianao
Na koa hoe ampihafianao any

Fa na hoe te-hiova toerana
Hanambady ianao na mitovy amin’izany
Ekeko ihany tsy ho tantiko izany
Raha hitomany herinandro ihany

Fa raha misy ny mahavariana anao
Na koa irinao any na efa tianao any
Ny zanako ihany no aza ampijalianao
Na koa ampihafianao any

Fa na hoe te-hiova toerana, te-hanambady ianao
Na mitovitovy amin’izany
Ekeko ihany tsy ho tantiko izany
Raha hitomany herinandro ihany

Fa na vadiko manahirana ahy
Sanatria tsy hanisy sira anao aho
Ambarako amin’ny tononkirako iny e
Ireo mba mamy sombitsombiny ihany
Ny adintsika, ny adintsika
Tsy ho lazaiko na amin’iza na ami’iza
Ka na misara-dalana aza
Efa natambatry ny zaza
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Rah-Ckiky
Visites : 2505
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 07/02/2016 17:30
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115