Akondro (Rah-Ckiky)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Nilaza ianao fa mbola tia ahy e!!Ka na mbola tia, azafady!
Izaho tsy hanoy intsony ee!!
Nilaza ianao tsy mahasaraka ahy e!!
Ka na tsy mahasaraka
Dia ho faranana
Nef'izaho mbola te hankafy eo
Dia hankafy eo
Fa nahazo tsirony
'Lay fofom-bavanao tsy afak'an-koroko
'Lay bikan-dratsan-tananao
Mitazona ilay akondro!!
ref: Fa io akondro io mantsy
Ilay desera tsy foinao
(Ilay kaly tena tianao)²
Tadidinao ve rehefa avy miady iny
Tsy nifampiteny
Vao nangalako akondro ianao
Dia nitsiky kely!!
2-Tadidinao ve ianao 'lay tsy afaka examen?
Dia sorisorena?
Toa nanjary nitomany
Raha nandinika kely aho hoe inona no mety hamaha ny olana e
Dia tonga tao an-tsaina avy hatrany
AKONDRO ihany
Ref Fa io akondro io mantsy
................................
3-'Lay tsikitsikinao rehefa mihinana akondro iny mampikipy maso ila
Ka izaho (anie)
Aza omenao tsiny (izaho) fa io ôôô!!
ref: Fa io akondro io mantsy
Ilay desera tsy foinao
Ilay kaly tena tianao²
Tadidinao ve rehefa avy miady iny
Tsy nifampiteny
Vao nangalako akondro ianao
Dia nitsiky kely!!
Ka hoy aho hoe:
"Hano ny akondro, hano ny akondro
Dia hano foanafoana (mihintsy)!"
......
--------
Lien: