4eme tige (Rah-Ckiky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eto ampirevena maina izaho no nitaraina
Fa marobe ireo karazan-tsazy nozakaina
Hatrany Antsepaka hatrany ’Tanimora
ka tonga hatrany Nosilava e
Mampalahelo raha ny mpanamaina no migadra

Dia eto ampirevena maina izaho no nitaraina
Fa marobe ireo karazan-tsazy nozakaina
Hatrany Antsepaka hatrany ’Tanimora
Tonga hatrany Nosilava e
Mampalahelo raha ny mpanamaina no migadra

Tsy vono olo, tsy rà nalatsaka,
Tsy nanolan-jaza eny izy e na nangalatra,
Na polisy, na Razandary
Manenjika azy ireo miharihary
R’ingahy mpitsara ô izaho mangataka ,
Ry Ray ambony avokà tsy mihataka
Aleo asiako 4ème tige,
Hanazavako aminao izay tena izy
Mampalahelo raha ny mpanamaina no gadraina,
Mampalahelo raha ny mpanamaina no migadra

Ka ho averiko aminao impiry
Ny môly anie zava-maniry
Mivavaha, minoa fotsiny ihany
I Marc milaza an’izany
Koa averiko aminao impiry
Fa io any endre ho’a zavamaniry
Mivavà minoa fotsiny ihany
F’efa voalazan’ny mpaminany

Mampalahelo raha ny mpanamaina no migadra
Mampalahelo raha ny mpanamaina no gadraina
Mampalahelo raha ny mpanamaina no migadra
Mampalahelo raha ny mpanamaina no gadraina

Amin’ny andro fahatelo,
Dia hisy olo hitsanga ho velo,
Ny voalohany i Jesosy e
Ny faharoa Bob Marley
Fa ino hoy rehe ty antone
Mba hampifoha azy e
Fa mino aho izy tezitra
Fa maro ty mpanenjika
Izaho aloha zao te-hanamôly e
F’izaho ti-hifoka jamala e
Nefa zaho tsy mana dràla
Tsy misy havidiko jamala
Mampalahelo raha ny mpanamaina no migadra
Mampitomany raha ny mpanamaina no gadraina
...
(Fa izy e mijalijaly e mama
Fa izy mijaly sady mitomany e
Nareo tsy vanona ! nareo tsy vahalara e
Aboahy izy e Aboahy izy e ho’a
Vahao ny rojony
Vahao ny rojobe
Aza avela hitomany irery e...)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Rah-Ckiky
Visites : 2341
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Ezekias
Date : 11/04/2021 07:40
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0765