MAMA (RABL)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MAMA

Vao nikimpy ianao mama
Dia tsy nihiratra intsony
Tsy hita ho nialana nenina
Tsy afa-nanao veloma akory

Eny, na tsy sitrakao
Dia efa izay no lahatra
Nefa izahay tsy nino hatramin' izay
F' ianao dia tsy hody ao an-trano

Fiv:
Ka ny fiverenanao
No mbola hiandrasanay
Ny torimasonao anie
Tsy ho mandrakizay
Mifohaza amin'izay
Fa sasa-miandry ny fonay
Rehefa tonga ianao mama o!
Tsy ho kamboty intsony izahay
Fa afaka hiantso hoe : mama indray

Enga anie ianao Ray o!
Hitahy ny fanahiny
Ka hamaly ho hasambarana
Izay mafy nentiny tety

Raha ny fahatsiarovanay
Tsy ho foana mandrakizay
Tsy ho voakosoky ny fotoana
Fa ianao dia mbola mamanay

Fiv: ....

(In2) :
Mama o, mama o ,mama o
Henonao ve ny antsonay
Mama o, mama o, mama o
Miverena modia amin' izay
Fa tena banga anao ny fiainanay

RABL

???????????????
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : RABL
Visites : 2716
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : mampandrynyaina
Date : 27/12/2017 18:53
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0751