Misaotra anao (Paris)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ilay alin'iny e,
Tena raikitra ao an-tsaiko fa ianao re ny tiako
Tsy hananako tsiny izay vitako taminao iny  
F'efa ianao anie ilay tokana, ianao re ny tiako, tiako.
Efa love aho, love aho,

Misaotra anao fa nomenao ahy
Ilay fitia ilay tena ilaiko
Misaotra anao nanome fitia
Ilay fitia avy ao am-po
Misaotra anao fa tsy mijaly intsony aho
Misaotra anao nanome fitia

Ianao tena tiako
Efa tena latsa-paka ilay fitiavako anao io,
Ianao ilay safidy, anjarako
Anjara tandrify
Efa ianao ihany no finidin'ny foko
Efa love aho

Misaotra anao fa nomenao ahy
Ilay fitia ilay tena ilaiko
Misaotra anao nanome fitia
Ilay fitia avy ao am-po
Misaotra anao fa tsy mijaly intsony aho
Misaotra anao nanome fitia

Ilay alin'iny
Tena raikitra ao an-tsaiko f'ianao re ny tiako
Ianao ilay Safidy, anjara ho ahy irery
Efa ianao ihany no finidin'ny foko.

Anjarako, ho tanako



Tonony sy feony : Paris sy Alson
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Paris
Visites : 2127
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 29/05/2019 21:05
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2438