Mila anao (Paris)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-
Azoko atao ve ny hiantso anao hoe tiako
Hilaza izay mba faniriako
Notazomiko ho ahy samy irery
hatry ny ela be ka
sao ela loatra ka handratra ahy
handrovitra ny aty fanahy
ka tsy ho voalazako eto indray

2-
Azoko atao ve ny anantena anao
hamboly ilay fianana vao
no iriako hatrizay ka hatrizao
ny faniriana raha rava tsy tanty
mandoro mamono ao anaty
ka mbola haveriko indray

Ref:
Mila anao ho namako aho
mila anao ho tiako sy tia ahy
tsy fitserana fa tena fitiavana
Mila anao tontoloko aho
mila ilay fitia voakolokolo
ilay fiarahana no tena hasambarana


Tena satriko tokoa
ianao fanilo ny fiainako
fitaratry ny diako
Mila anao


Tonony sy feony : Donat Rasamimanana
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 07/04/2016 16:38)
Saika hanontany aho dia efa hitako ny fanazavàna napetrakao tatsy amin'ny Youtube. Misaotra.

"i Titi no nihira azy taloha, fa navaoziko ilay izy d efa za no mpihira azy indray amin'izao, ary efa nifanarahana :) satria za sy Titi mpindrana hira fotsiny fa i Donat Rasamimanana no tena tompon'ilay hira, :)? "
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Paris
Vangy : 18243
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : neh-paris
Daty : 07/04/2016 16:37
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0657