Haram-bato (Ny Sandratra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref.Aminao, aminao ray o.
No anankinako adiko izao.
Haram-bato sy batery fiarovana ahy ianao.
Itokiako hatram zay ka hatram zao.
Harambato sy batery fiarovana ahy ianao.
Itokiako hatram zay ka hatram zao.

(Andriamanitra o, tsy ho ketraka aho akory sanatria.
Na miodidina amely ahy avokoa aza ireo olona tsy tia.
De ny hirakao tsy maintsy ho tontosako.
Eo ambany elatrao no fialofako, ka tsy hana-tahotra aho JEHOVA o, fa manana ano) in2.

Ref. Aminao, aminao ray o, no anankinako izao adiko izao.
Haram-bato sy batery fiarovana ahy ianao.
Itokiako hatram zay ka hatram zao.
Haram-bato sy batery fiarovana ahy ianao.
Itokiako hatram zay ka hatram zao.

(Tompo tia o, maro ireo te hisopatra ny diako.
Fa raha izaho kosa dia ny famindram-ponao no itokiako.
Na hangeja ahy mafy ireo fahavalo.
Zay atao, tsy ataoko ampimamba.
Satria ny anjelinao JEHOVA o no manodidina ahy) in2.

Ref. Aminao, aminao ray o, no hanankinako izao adiko izao.
Haram-bato sy batery fiarovana ahy ianao.
Itokiako hatram zay ka hatram zao.
Haram-bato sy batery fiarovana ahy ianao.
Itokiako hatram zay ka hatram zao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny Sandratra
Visites : 2349
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Fafanomezantsoa
Date : 23/11/2017 22:49
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719