Hifamatotra Aminao (NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Tao anatin'ny haizimpiton'ny famoizam-po
No niposaka ilay hazavana soa
Ny tànan'i Jesosy ilay mpamonjiko
No natsotrany mba ho avotro
Tsy nisalasala aho fa nanantona Anao
Tena mamiko ry Ray ny eo anilanao mandrakizay

Refrain:
Atsotrako ny tànako
Hitady vonjy Aminao ry Ray
Atsotrako ny tànako
Hifamatotra amin'ny tànanao
Ka tsy hanahy intsony aho
Fa azo antoka ny tantananao
Ry Tompo tia, ilay tsy mahafoy ahy, ho doria

2- Ny adim-piainako rehetra efa ravanao
Ka indro aho mpandresy noho lanao
K'izay mbola ho diaviko Tompo ô an-tànanao Raiso aho ho Anao ka anjakao
Tsy hisalasala aho fa hanantona Anao
Tena mamiko ry Ray ny eo anilanao mandrakizay

Refrain:.....

Bridge:
Raha ny satriko ry Ray
Dia ny hamihina Anao
Ka hazony mafy aho
Fa tsy mahatana Anao
Ka ho sambatra ny fo
Tsy mba hanana ahiahy
Eo anilanao mandrakizay

Refrain:....
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana)
Visites : 171
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Jayah2
Date : 13/02/2026 08:05
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0334