Totoy tsara ny varinareo (Ny Antsaly)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eeee roana, eeee roana...Eeee roana, eeee roana...
Eeee roanay ô, ôôôô roanay ô
Totoy tsara ny varinareo e, totoy
Hofay tsara ny varinareo e, hofay
Nankaiza ianareo rey lahy
Indreto zahay rey lahy ô
Nankaiza ianareo rey lahy
Mamboly ny vary rey lahy
Alaovy ny angadinareo e
Asao ary ny tanimbary ô
Asao tsara ary ny tanimbary e asao
Fa ny angady no ampinga ô
Handresy mosary ô
E e e roy ô
Izao vao zina ny taona
Asao tsara ary ny tanimbary e asao
Nankaiza ianareo ry zavavy ô
Indreto zahay rey lahy ô
Hafoty ny ketsanareo
Fa izao no fotoam-panetsana
Ketsao tsara ny varinareo e ketsao
Aza misy malaina ô
E e e roy ô
Izao vao zina ny taona
Ketsao tsara ny varinareo e ketsao
Jinjao re ny vary ao andrefan-tanana ô
E e ray ô
Fa ataovy ao an-tsopitra ka hahavita taona ô
E e roy e
Ataovy ao an-daona ny vary ô
Totoy amin'izao re rankizy ô
Totoy tsara ny varinareo e totoy
Aza misy malaina ô
E e e roy ô
Izao vao zina ny taona
Totoy tsara ny varinareo.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Ny AntsalyVisites : 66
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Kotsur
Date : 01/06/2026 17:59
