Vazon'ny manina (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Irony domoina raha toa sarak'ala
Indrisy  misento ô! Indrisy fa adala
Manembona hono fa lavi-malala
Ny tiana re roy tsy mba manan-tsahala

2) Avia ry vorona, avia mba mikalo
Alaotra nilaozana, tomany mpandalo
Very tsiriry, indrisy mimalo
Vonoiko ny sento tsy ekeko hampivalo

Ref: Ory manjavona Ankaratra izany
Onena misento ô! Ankaratra ihany
Ny tsy anilan'ny tiana no tena tomany
Ny lehilahy kosa tsy lavon'izany

3) Ny tànanantsika mbola io manantena
Ianao no tsaroana e! Ny fo no onena
Tomany ny aty e! Tomany jambena
Ianao ilay tsy foiko, ianao miverina

Ref:

4) Dia hafatra sisa vazoko any ho any
Ianao na haditra e! Izaho eto ihany
Na mety hampijaly izay otanao any
Fitiavako anao re mihoatra an'izany
Fitiavako anao re mihoatra an'izany
Fitiavako anao re mihoatra an'izany

A/C : Om-Gui
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny Ainga
Visites : 152
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Ramihaja08
Date : 29/10/2025 21:38
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0885