Aza atao fantany (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Any ho any alavitra any
Lay nilaozako fitia
Tsy tiako ho fantany any
Fa tomany anie aho aty

Olon-tsotra, tena tsotra izay malalako izay
Fito taona teo no niarahanay
Zaza sombinaina tokana io no tantaranay
Tena tiany fatratra, tsy foiny
Olon-tsotra fiainana tokoany
Izy tsy mba niady nampahory
Tena nanaja tao am-pony

Fa ny foko vehivavy manao fampitaha
Lay sahiran-dava tsy mba tantiny
Herintaona feno izay no vita ny aminay
Vita fa napetrako tsy hitohy
Noroahiko izy tsy nahafoy
Lasa izay ny lasa tsy nahoako
Nentim-po ny saiko tao am-poko
Oooooo… Zay vao tsapako
Oooooo… Zay vao fantatro

‘Nareo namako iangaviako handainga any aminy
F’izaho salama - izaho salama
Tsy manahy - tsisy ahiahy
Lazao any - lazao any aminy
Tsy mahatsiaro - tsy mahatsiaro ‘ntsony hoe
Fa ny marina aoka tsy ho fantany
Fa izaho lasa adala aminy
Oooooo… Zay vao tsapako
Aza atao fantany ny manjo ahy
Fa mitomany azy ny fo, fanahy
Fa ny vehivavy tsy natao hisaraka
Tsisy vehivavy sambatra
Tsisy vehivavy sambatra izay misaraka

Mbola misy izay tavela tsy voafafako
Ny tsikiny alinalina eo anilako
Mampahatsiaro anazy izay rehetra hitako
Ny seza sy gitara fikaloany
Hatramin’ilay kopy fisotroany
Misento sy tomany azy aho irery
Ny volana eo am-baravarankely
Oooooo… ooooo

Tsy nampoiziko ho ratra ny fandaozako
Hatramin’ity zaza ity toa tsy tafandry
Tsy ampy tambitamby mitomany lava azy
Vao mifoha dia miantso ny anarany
Tsy hitako ny atao fa mitomany aho
Hay ny fisarahana tsy ampoiziko
Tena marary azy ny foko
Oooooo… zay vao tsapako
Oooooo… zay vao fantatro

Nareo namako iangaviako handainga any aminy
F’io zaza io - efa zaza be
Tsy manahy - efa mandehandeha
Fa tamana - nanadino azy
Tsy mahatsiaro - tsy mahatsiaro ‘ntsony hoe
Fa ny marina aoka tsy ho fantany
F’io zaza io mampalahelo
Oooooo… zay vao tsapako

Aza atao fantany ny manjo ahy
Fa mitomany azy ny fo, fanahy
Fa ny vehivavy tsy natao hisaraka
Tsisy vehivavy sambatra
Tsisy vehivavy sambatra izay misaraka…
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 11511
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 07/06/2016 17:06
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0839