Sambatra aho (NY AFAH)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Tsy haiko lazaina Raiko ô
Ireo zavatsoa nomenao ahy
Tsy misy ny olako izay tsy voavahanao
Tsy hay tanisaina ihany koa, tsy manam-paharoa ny herinao
Tsy misy fotoana tsy ahatsapako ny herinao

Jesoa malala ô sambatra aho fa manana Anao
Raha misy ny mafy hizorako matoky ny fo fa eo Ianao
Fa tsapako izao ilay sandrinao mitantana ahy

2- Raha mamakivaky ny alina aho tsy rendrika tao ny diako
Ny tahotra sy ny ahiahy tsy tao amiko
Raha nita ny rano lalina aho, tsy rendrika tao ny fiainako
Finoana sy herin'ny fanahy no ampingako

A/C : Pst Rasamimanana Rijaniaina Eric
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : NY AFAH
Visites : 15
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : NYAFAH501
Date : 05/06/2026 18:01
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
plus...
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0861