Vetson'ny selibatera (Njakatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa hariva ny andro tamin'zay vitsivitsy no nandeha
Tovolahy araiky zay nandalo tanagnanay
Valizy hely lanjaigny ainga hainkaiza izy zegny
Magnano dia maika arahina hazakazaka.

Nantsôvako mba hanontaniako
Namaly izy miragnà
Tsy afaka hijanogna zah tsiah
Mbola ho lavitra ny dia
Ka niala tsigny ny hoe :

Azafady zalah fa tsy afaka ny hiandry e
Ny ali-mikitroka titeziko ôh, zaho maika
Tsy anarô no tsy nampandroso, zaho te ho tônga
F'efa mandigny anah agny zay malalako ôh!

Miala tsiny zalahy fa mbola ho lavitra ny handehagnana
Tsôfy rano mbô tsy azo tsampogna eny an-dàlagna
Tsy fômbako koah ny mandainga fotoagna
F'efa mandingny anah agny zay malalako ôh!

.....

Nitohizany ny làlany nidify izy dia tsy hita
Zaho kosa lasa saina nieritreritra e!
Zegny tokoatra ny fitiavagna tsy maha lavi-tany
Zay efa ao dia tegna tia tsy mahatàna tegna.

Oviagna vô mbô hisy kara zegny aminah
Zaho efa zatra tôkana, zaho zegny lany fagnahy
Oviagna vô mbô ho avy ny anjarako am-bihavy.
Izaho tôkana, mila namagna
Oh mba oviana?

Hatramin'izay zalah ny fôko mblôla mandry e
Fa nanambady aby iry zoky sy iry zandry e
Zaho raiky tavela mipetraka amoron-dàlagna
Mandigny ampagnontany amôha ny fitiavagna (X2)
. . . . . . .
--------
Lien:
Commentaires
puulet ( 15/12/2017 08:04)
Tena mahafinaritra ity hira ty
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Njakatiana
Visites : 37892
Préférés : 6 J'aime
Ajouté par :
Date : 04/02/2008 12:12
Audio

Audio non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731