Avelao aho hitia (Njakatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha vao nahita anao
Toa tsy nisy intsony teo ’zao tontolo izao
Babo avy hatrany
Tsy te-hahalala izay miandry
F’aleo aho, aleo aloha aho hitia

Ianao toa niahiahy
Aza asesikao izay momba ahy
Fa fantaro kely aloha ’ty fo adala tokoa
K’aleo aho, aleo aloha aho hitia ... anao.

Izaho anie tsy taitra fotsiny amin’izao
Fa tena tia anao aho matoa sahy mitalaho
Aza dia matahotra loatra izay hoavy
Fa ny ahy, hajaina daholo
Alamina avokoa, fa izao aloha:

Avelao aho hitia anao
Dia mba ho tony ny ao anatiko ao
N’inona n’inona ’zay mbola eritreritrao
Avelao aho aloha hitia anao!


Ianao toa niahiahy
Aza asesikao izay momba ahy ...

Izaho anie tsy taitra fotsiny amin’izao
Fa tena tia anao aho matoa sahy mitalaho
Aza manahy, hajaina daholo
Alamina avokoa, fa izao aloha:

Avelao aho hitia anao ...
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Njakatiana
Visites : 29619
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : admin
Date : 08/02/2004 07:52
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0837