Sambatra (Nanie)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sambatra aho manana anao
Manana olon-tiana manam-panahy
Fa na @ mora na @ sarotra eo foana ianao
Sambatra aho nomena anao
Fanomezana sarobidy tsy hahitan-takalo sy hahitan-tsahala
No sady ampy mahalala ny mahafeno ahy

Hainao ny manohana ahy
Mampahery sy miahy
Hainao ny mahatoky ahy
Nefa tsy mamela ahy ho irery
Hainao ny mandefitra sy manetritena
Tsy misy ny mampanahy fa ianao tokoa ireo

Ho sambatra ianao fa aza miahy²
Fa hiezaka aho ny hamaly fitia
Omeko anao daholo izay rehetra matokia
Mahasambatra ny manome
Izay nomena ahy efa ela be
Fitiavana lehibe indrindra
Avy ao ampo, tolotra avy @ Tsitoha

Hainao ny manohana ahy
Mampahery sy miahy
Hainao ny mahatoky ahy
Nefa tsy mamela ahy ho irery
Hainao ny mandefitra sy manetritena
Tsy misy ny mampanahy fa ianao tokoa ireo

La, la la la la la
La la la la la ...

NANIE
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Nanie
Visites : 325
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Nathiie
Date : 04/09/2023 11:25
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3431