Rohy (Miora.R)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hitsaitsaika kely aho
Toa aloka
Hiambina ny hasambaranao
Hijoro koa, ho tamboho
Hanakana izay mety ho rivo-dratsy hifofofofo ao
Refrain :
Nolokoinao ny tahotro
Koa anjarako izao
Ny mandravaka ny làlanao
Hifameno, hifampiankina
Ho melody iray
Ny kintana aloha tsy ho takatra
Tsy olana izany
Ny azavantsika ampy ahy
Tsy anjely mpiambina
Fa fanahy iray
Maniry hampiaina ny nofinao
Te hamihina sy hanoroka
Ireo singa izay voakolokolonao
Ny fo hifandrohy indray, ny làlana ho iray
Ho iray
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Miora.R
Visites : 296
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Myrrherab
Date : 19/02/2023 23:21
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.112