Hay ve (MIJAH)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hira fihainontsika roa matetika raha tsy hoe Shyn dia BoyBlack
Satria tsika resim-pitiavana ka nilokaloka hoe mandra-maty
Lay hira sitrany solo an'i Tence Mena natolotrao ahy
Dia ho valiako ilay aleo duo an'i zoky Black Nadia
Sao dia ho tapaka sotro fihinanana araka ny kozin'i Mario
Ka mba valio ho'aho ho'izy i Odyai, Mr Sayda ary Pit Léo
Fa ankilanao ihany no mahatsara zaho araky ny voalazan'i Basta
Haiko ianao ho'aho fa hoe marié ho'izy i Madama X
Marina marina tsy tatý aminahy ny fonao no niantsampy
Zaho ho'aho mba nanantena hoe orokoroka na hoe fitia dia ampy
Kanefa tsy izany mihitsy ny antony nahatonga azy nandao
Fa ho'izy i Dalvis hoe tô tsy vadin'i babanao

Matoa izaho ho'aho mbola misisisisika aminao iny
Dia noho ilay voady zay efa nataoko taminao
Dia naleonao ve nanaraka 'reo mpivahiny
Dia adinonao teo ho'aho lay niara-niaritra anao

Hay ve - Eny ho'aho
Efa tralalaa - Eny ho'aho
Hay ve - Eny ho'aho
Dia mody tsy mahalala
Olalalalalalalala

Efa nanafatra anahy i Elidiot hoe
Aza mba avela mandeha seule ny vadin'ialahy
Na hoe mandeha solo fa sao dia ho'aho lasan'ny vazaha
Hay kay lery tsy nivaza ahy fa tena marina ny kozin'lery
Sa hoe valifatin'i Bertrand tamin'ny vadiny lasan'i Big Mj
Tena lasa mpandainga daholo eto io ho'aho, tsy vavy tsy lahy
Rehefa mitady hampirafy ho'aho ny vadinao h'aho alazao amin'i Viavy Chila
Ho'izy i Tsota hoe mahazo tsirony
Na dia efa saika adinony
Raha mahatsiarotsiaro 'reo lasa taloha
Lay zanatsika roa fihinina
Fa 'zaho ange tsy mahay mionona ohatran'ny nataon'i bavy Johane
Ny adiresy tys miova ka mandalova raha sendra mba manina
Nanantena hoe ianao ilay silako
Kanefa ianao voninkazo voarara
Ka aleo efiko parsi satria ny antsika roa efa haiko hoe tsy anjara

Matoa izaho ho'aho mbola misisisisika aminao iny
Dia noho ilay voady zay efa nataoko taminao
Dia naleonao ve nanaraka 'reo mpivahiny
Dia adinonao teo ho'aho lay niara-niaritra anao

Hay ve - Eny ho'aho
Efa tralalaa - Eny ho'aho
Hay ve - Eny ho'aho
Dia mody tsy mahalala
Olalalalalalalala
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIJAH
Vangy : 3671
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 05/08/2019 10:25
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011