Afindrafindrao (Mbolatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aoka ry lahy fa marina izany o
Raha hiankandrefana any lahy ianao
Mba hafarako kely
Mba hitondray haran-jono any aho
Hanjonako eny amoron-drano rehefa hariva o
Yeha, masìna sombinaiko ô
Yeha, veloma rahavana ô
Eny veloma ihany izany havako izany, eny veloma

Aoka ry lahy fa marina izany o
Ondaondano kely aho ry aiko ô
Fa marary ny an-dohako ô
Nahoana no marary izy akia?
Tsy miala vazom-boana ka marary ô
Yeha, masìna sombinaiko ô
Yeha, veloma rahavana ô
Eny veloma ihany izany havako izany, eny veloma

Aoka ry lahy fa marina izany o
Vorona taitram-basy va ianao
No lavo eny am-pahamarinana
Tsy vorona taitram-basy anie ry lahy
Fa nierika anao anie aho ka lavo ô
Yeha, masìna sombinaiko ô
Yeha, veloma rahavana ô
Eny veloma ihany izany havako izany, eny veloma

Aoka ry lahy fa marina izany o
Fitaratra lany manja va ianao
No mampiova ny tarehy
Tsy fitaratra lany manja anie aho
Fa ela tsy hitanao anoe ka niova ô
Yeha, masìna sombinaiko ô
Yeha, veloma rahavana ô
Eny veloma ihany izany havako izany, eny veloma
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Mbolatiana
Visites : 3573
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : tiavinamarina
Date : 10/03/2021 19:00
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722