Anjara (Mbolatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sasa-niandry ianao
Nandritry ny fotoana maro
Zay tsy nisy hazavana
Kanefa aza kivy
Fa ho avy ilay maraina
Kanefa aza kivy
Fa izany no anjara
sy lahatra eto an-tany.
Fa io fitiavana io aza
mety ho rava ,rava maina
Kanefa aza kivy
Fa ho avy ilay maraina
Kanefa aza kivy
fa izany no anjara
Tsy ankifidy tsy azo atakalo
Fa tokana ihany ity anjara
Fa tokana ihany
Hadinoy ny ratsy
Hadinoy ny lasa
Fa ho resy tsy ho ela ireo mpanadala

Noforonin’i Datita Rabeson
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mbolatiana
Vangy : 8861
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 21/08/2003 17:25
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1608