Olombelona (Marius Andria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-
tsy manisa vola lany
tsy manisa fotoana mamy
rehefa natao ity tamin'ny fo
dia tsy hilana tambin'ny zany

''motivation, motivation''
fa tsy vitan' izany
miova ny ''song''
miova ny ''fond''
dia mety hiova koa aho indray andro any

tsy ny olona no tsara fanahy
fa ny fanahy no mety lotoina
madio ny sainy androany
dia rahampitso iny afaka lokoiny

manota be androany
dia rahampitso izy mody mifona
mifona, mifona aho ray oh
fa tsy amerina intsony ??

f*** ny heviny
rehefa mitady ho tafa dia kakana
''materialiste'' ny bobaka
misy saina fa vitsy fahalalana

misy miaina
misy mihaino, misy very amin'ny fahasamihafana
misy tsisy
ny tsisy misy, mamboly fankahalana

ny foko
volamena tsy misy pentina
manome fa tsy mandray
zaho mpitondra, zaho ilay tsy ho entina

mpitsabo izao no ilaina
fa tsy aretina
ireo mody tia ahy
fa ny antsy ao an-damosiko ao no alentiny


Fiv :

Olombelona
feno azy an-tapitrisa
tsy tompon'ny tany fa mpandalo
fa iza no anavotra azy?
iza ?

Olombelona
feno azy an-tapitrisa
tsy tompon'ny tany fa mpandalo
fa iza no anavotra azy?
iza ?


2-
Namana akaiky
sy ireo fianakaviana
rehefa taraiky izaho, ireo no faly
lainga ny tsy hisy fahakiviana

mpanandratena
misoratena toa voatavo
mpanampy sa mpamadika
toa manao fiainam-boalavo

adiko ny fiainako
iainako tsy hiantehatra
tsy hiantehatra olon-kafa aho
satria izaho mila manjelatra

tsy ''god'', no mpanavotra
izaho koa tsy hametraka,
izaho no mpilalao, mpanatontosa, mpanatanteraka


Fiv :

Olombelona
feno azy an-tapitrisa
tsy tompon'ny tany fa mpandalo
fa iza no anavotra azy?
iza ?

Olombelona
feno azy an-tapitrisa
tsy tompon'ny tany fa mpandalo
fa iza no anavotra azy?
iza ?
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Marius Andria
Vangy : 61
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mariusandria8
Daty : 24/11/2025 15:51
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.033