Feno Anao (Lovenpraise Madagascar)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha nandeha tamin'ny heriko aho
Tsy aiko ny nanompo Anao
Voafetra raha ny fisainako
Tsy nahasoa ahy ireny
Tsy te hiverina amin'ny lasako aho
Ireo fiainako taloha
Fa raha izao sy ny heriko
Dia ho reraka ihany

Te ho feno Anao izahay
Te ho kasihanao Fanahy
Miasa misy misy hatrany
Fanahy Masina o o
Mangetaheta foana aho
Ny ho henika Anao
Miasa misy misy hatrany
Fanahy masina o

Ankehitriny aho mikatsaka izany
Fiasan'ny Fanahy Masina
Tiako ho tsapa ao
Izany fahafenoana izany
Tomoera aty anatinay Ianao
Ka hanjakao ny fiainanay
Sy ireo momba  ahy
Ho Anao mandrakizay

Te ho feno Anao izahay
Te ho kasihanao Fanahy
Miasa misy misy hatrany
Fanahy Masina o o
Mangetaheta foana aho
Ny ho henika Anao
Miasa misy misy hatrany
Fanahy masina o

Mameno anay
Avia mameno, avia manjaka, avia manenika ahy, avia.

A/C: Antsiva Andriamasimanana.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Lovenpraise Madagascar
Visites : 75
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Lovenpraise
Date : 09/03/2026 07:19
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0291