Tahio Jesoa ny Fianarako (Leivyh)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TAHIO JESOA NY FIANARAKO ...


Miantso anao Tompo oh
Miantsoantso Anao
Tahio re ny Fianarako
Tsofy rano mba ho tafita soa
Omeo saina maranitra
Hitadidy ireo lesona
Fa sarotra ny fianarana
Jeso, ianao no mahafantatra


Marobe ireo enti-mody
Noratovina an-tsekoly
Tompo oh ampio aho
Ianao no faniloko
Na sarotra ny lesona
Dia tsy hisy hitarainana
Ray oh jereo aho
Sahirana aho ka mila Anao
Oh ouh oh


Tahio Jesoa ny Fianarako
Mba ho afaka fanadinana aho
Aoka, aoka hamoa
Voa tena soa
Fa reharehako ny Anaranao

...

Mahatoky aho manana Anao
Handry ivoho ny vatolampiko aho
Hahazo fahalalana avy amin'ny Ray
Ka handresy satria ianao no momba Ahy


Ampio koa ireo namako
Izay efa milofo
Hiatrika ady sarotra
Ianao no hampamirapiratra


Marobe ireo enti-mody.....


Refrain....
LEIVYH. Juillet 2014
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Leivyh
Visites : 4664
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : dafytahiana
Date : 06/04/2015 20:09
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0793