Azafady (feat Njara Marcel) (Jacquis Randria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Azafady aho raha toa ka nandratra anao
Be loatra ireo vita sy ditra natao.
Tsy nahay nifehy tena nanao ny tsy fanao
Nampirafy aho, nampijaly anao.
Ireo teny marary sy ireo latsa ifonako
Fa zaho anie bandy mety ho solafaka ihany.
Ireo fakam-panahy maro loatra, mamingana.
Izay tia hono adala, hafa ihany malala.
Efa hiova aho
Tsy hamerina intsony aho.
Tsy hoe kapain-tsy hita fery ialahy ka handeha hampijaly vehivavy.
Aza faly ny hanimba sy ny hamiravira ialahy, tsinjovy ny hoavy.
Aza anariana mavesatra izy ireo...
Tsy kilalao izy azafady.
Diniho 'zay atao
Fa ho very ialahy raha toa ka tsisy vehivavy.

Aza miandry voadona ialahy vao mba tonga saina
Tsy entam-barotra amidy io fa aza viraviraina.
Tsy hoe lany hamamiana ka ho arianao ny faikany.
Rendrarendra tsy ho lany fa mba saino ihany.
Ireo vehivavy natao fanaja.
Hoe afaka miaina ve raha toa ka tsisy azy
Tsy sakafo fihinana io, ka ho atao andramana
Sao ho fatrapifidy elà tandremo lesy zany.
Ao fa hiova aho
Tsy hamerina intsony aho.
Tsy hoe kapain-tsy hita fery ialahy ka handeha hampijaly vehivavy.
Aza faly ny hanimba sy ny hamiravira ialahy, tsinjovy ny hoavy.
Aza anariana mavesatra izy ireo...
Tsy kilalao izy azafady.
Diniho 'zay atao
Fa ho very ialahy raha toa ka tsisy vehivavy.

Tsy hoe kapain-tsy hita fery ialahy ka handeha hampijaly vehivavy.
Aza faly ny hanimba sy ny hamiravira ialahy, tsinjovy ny hoavy.
Aza anariana mavesatra izy ireo...
Tsy kilalao izy azafady.
Diniho 'zay atao
Fa ho very ialahy raha toa ka tsisy vehivavy.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Jacquis Randria
Visites : 15663
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 07/03/2022 19:36
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115