Hiarina indray (Jacquis Randria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hay ve ohatran'izany ny hoe rehefa tia, hm m!
Na dia efa marary mbola te hankafy,
Niafiko avokoa ireo ditranao tany
Mahasambatra anao ve rehefa izaho no mijaly?
Mahafaly anao ny mahita ahy mitomany.

Novonoinao ilay afom-pitiaviantsika
Ilay hafanana toa nanjary ho atsika
Dia niova ianao, niova fo
Lasa aiza ilay voady natao taloha!
Hoe izao ilay mpanjaka ny fonao
Nolazaina tamin'izany fa hoe:
Izay ratranao dia feriko, ooh ooh!

Raha indray no mianjera mbola hiarina indray
Raha fitia tsy anjara tsy ataoko hampanahy
Raha lasa ny mamba dia misosoka ny voay
Nanary jokera tsy afera mamay
Hametra-beloma ah an!, hm hm!
Hametra-beloma aah!!

Yeah!
Raha indray no manta vary, tsy handen-tsotrobe aho
Ho halaviriko amin'izay ireo toloko
Indray andro any mbola hamirapiratra aho
Tsy hoe rehefa sambatra be izaho vao ho hitanao
Nanitsakitsaka ny voady izay nifanekena
Hoe izao sy ianao hitambatra ho iray
Ekena, 'nefa indri.i.iiisy!!

Novonoinao ilay afom-pitiaviantsika
Ilay hafanana toa nanjary ho atsika
Dia niova ianao, niova fo
Lasa aiza ilay voady natao taloha!
Hoe izao ilay mpanjaka ny fonao
Nolazaina tamin'izany fa hoe:
Izay ratranao dia feriko, ooh ooh!

*Raha indray no mianjera mbola hiarina indray
Raha fitia tsy anjara tsy ataoko hampanahy
Raha lasa ny mamba dia misosoka ny voay
Nanary jokera tsy afera mamay
Hametra-beloma ah an!
Hametra-beloma aah!!
(X2)

Raha indray no mianjera mbola hiarina indray
Raha fitia tsy anjara tsy ataoko hampanahy
Hametra-beloma aah!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jacquis Randria
Vangy : 54
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 29/04/2025 15:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0814