AMPIANARIKO (Jacquis Randria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa maro ireo nandalo teo,
Fa tsisy nety e!
Namiravira anao no be dia be,
Namela fery e!
Tsy homeko tsiny ianao raha toa ka tsy hino,
'Zahay lehilahy anie ka adala,
Rehefa izy voky avy eo
Dia miala.

Toetra voajanahary ve
Sa niniana natao?
Faly ny handratra ve?
Tandremo fa natera-behivavy ianao.

Tsisy olombelo tonga lafatra eto an-tany,
Avia ary ho hampianariko izany malalako izany.

Tairo fa ampianariko o!
Tsisy tonga dia nandeha fa nadady aloha,
Ampianariko o!
Fa aza manahy.
Tairo fa ampianariko o!
Ao fa ho kolokoloiko toy ny mitaiza ny foko,
Ampianariko ianao
Fa aza manahy.

Tsy ho voafafako ireo ratra izay navelany tany,
Haiko izaho tsy tantely,
F'ianao ho vontosako mamy,
Pejy vaovao izao ny antsika,
Hadinoy ireo tomany,
Raha misy zavatra tsy azo
Dia ambarao fa fananako ianao.

Toetra voajanahary ve
Sa niniana natao?
Faly ny handratra ve?
Tandremo fa natera-behivavy ianao.

Tsisy olombelo tonga lafatra eto an-tany,
Avia ary ho hampianariko izany malalako izany.

Tairo fa ampianariko o!
Tsisy tonga dia nandeha fa nadady aloha,
Ampianariko o!
Fa aza manahy.
Tairo fa ampianariko o!
Ao fa ho kolokoloiko toy ny mitaiza ny foko,
Ampianariko ianao
Fa aza manahy.

Tairo fa ampianariko o!
Tsisy tonga dia nandeha fa nadady aloha,
Ampianariko o!
Fa aza manahy.
Tairo fa ampianariko o!
Ao fa ho kolokoloiko toy ny mitaiza ny foko,
Ampianariko ianao
Fa aza manahy.

Ampianariko ianao
Fa aza manahy.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Jacquis Randria
Visites : 258
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : litarazavar
Date : 05/06/2024 10:52
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7358