Tsotra (Inah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsotra aminao tokoa
Ny miteny hoe
Aleo faranana ny antsika
Tsotra aminao tokoa
Satria ianao tsy tena tia
Mba azonao an-tsaina ve ny ratram-poko?
Sa tianao ny itomaniako sy italahoako?
Eny hiandry, hiandry anao aho satria
Sao iverina ihany, ianao ety
Misy ve ny indrafonao
Sa dia efa vato no mitempo ao
Tsisy anie ny ratsy nifanaovana
Ka nahoana aho no ilaozanao

Mba azonao an-tsaina ve, ny ratram-poko?
Sa tianao ny itomaniako, sy italahoako
Eny hiandry, hiandry anao aho satria
Sao iverina ihany, ianao ety
Misy ve ny indrafonao?
Sa dia efa vato no mitempo ao?
Tsisy anie ny ratsy nifanaovana
Ka nahoana aho no ilaozanao
Tsotra aminao tokoa ny miteny hoe
Aleo faranana ny antsika!
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Inah
Visites : 289
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Ruvani
Date : 20/07/2025 12:01
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
plus...
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2419