Matokia an'i Jehovah (GrAS (Groupe Artistique Sunlight Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra,
F'aza miankina amin'ny fahalalanao
Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra,
Fa Izy handamina ny (ny) lalanao
Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah,
ka mifadia ny ratsy; Dia ho famelomana ny nofonao izany

Hoy jehovah, aza manadino ny lalàko
fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko
Afehezo eo am-bozonao izany ary soraty ao amin'ny fo
Dia fitia sy fahalalana tsara no ho azonao eo anatrehany


Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah,
ka mifadia ny ratsy; Dia ho famelomana ny nofonao izany


Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao
dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao
aza manamavo ny famaizan'i Jehovah anao
Fa izay tian'i Jehovah no anariny


Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah,
ka mifadia ny ratsy; Dia ho famelomana ny nofonao izany


Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra,
F'aza miankina amin'ny fahalalanao
Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra,
Fa Izy handamina ny (ny) lalanao
Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah,
ka mifadia ny ratsy; Dia ho famelomana ny nofonao izany
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : GrAS (Groupe Artistique Sunlight Mahajanga)
Visites : 236
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : AlphaTokiniaina
Date : 02/10/2023 19:43
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0778