Jereo (Ftvlm Ambohitrinibe)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I-Ouuuu hangatahiko izay mahasoaHo ataoko hira ihany koa ny vavako
Ireo fahasoavana nomenao hiainako
Hiderako anao ry Andriamanitra
Fa misy ihany koa ireo namako
Handrotsay ny fitahiana avy Aminao
Ireo tsy manana fivelomana
Hombao ny tananao Tompo ô tsy ho lefika
Tsy misy hialofana, tsy manan-kohanina
Maro be ka mila Anao mba hitodika
Fa osa ny fanahy, manangam-panina
Ny ampitso lalam-piainana tsy hay dinganina
REF: x2
Omeo izay mba ho anjaranam'izy ireo
Mba hanehoy fitiavana ho lambany
Jereo fa miandrandra mitoreo
Tolory tsiky ho sakafo am-bavany
II-Ouuuu, ho antsika samy olombelona
Handeha hanolotra ho an'izay tsy manana
Omeo fitafiana, omeo hanafana
Fa tsy ho faty antoka ny manolotra
Vao maika sambatra ireo izay mizara
Ka hiseho indray ny voninahitry ny Ray
REF:...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Ftvlm AmbohitrinibeVangy : 212
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Amboara22
Daty : 29/08/2025 21:57
