Zanaka Adala (Feon-Dokanga Fihobiana (FDF))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/Olona meloka ahoNanao ny tsy fanao
Satria dia nandika ireo didiNao
Tena nanaram-po, niliba tokoa
Tamin'ny fiainan-dratsy izay nahafaty
Ref:
He menatra aho ry Ray ô!
He menatra Anao,
Tsy mendrika akory ny ho zanaKao
(Ray ô! Ray ô!)
Fa ataovy toy ny iray amin'ireo mpiasaNao
Fa tsy zanaKao
2/ Niainako avokoa ny adalana
Noeveriko fa tsara sy ahasoa ahy
Kanefa dia fahaverezana tokoa
Ny ambadik'izany fa tsy takatro
Ref:
Soa ihany fa teo Ianao
Ray be fitiavana
Nandray ahy indray ho havaNao
(Tsy nisaiNao)
Ny heloko rehetra fa nofafaNao
Ka ho isan'ny mpandova lanitra aho
A/C: Barphino
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Feon-Dokanga Fihobiana (FDF)Visites : 183
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Agnakol
Date : 11/07/2025 21:29
