Jehovah no Mpiandry ahy (Fafah (Mahaleo))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. He, Jehovah no Mpiandry ahy,Tsy mba misy atahorako;
Raha izy no mitondra ahy
Ahi-maitso no handriako.
Eny, fa ny tany karankaina,
Dia hody saha lonaka,
:,: Ary ao amoron-dranon’aina
Hialan’ny foko sasatra :,:
2. He, Jehovah no Mpitarika ahy
Amin-dalam-pahamarinana,
Koa tsy ho kivy ny fanahy
Amin’ny alo-pahafatesana
Hianao, ry Tokiko irery,
No hiara-dia amiko.
:,: Ka ny tsorakazonao mahery
No hanafaka ny tahotro :,:
3. Amelaranao latabatra aho
Eo imasom-pahavaloko;
Namboaranao kapoaka aho,
Ka mahery sady afa-po;
Eny, indrafo tsy hita lany
No hiaraka amiko izao
:,: Mandra-pahatongako ho any
Hanatrehako ny tavanao :,:
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Fafah (Mahaleo)Visites : 16
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : fango12
Date : 31/12/2025 09:52
