Mila Anao (Emile)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zanahary ô vonjeo
Fa ny taniny efa matin'ny jaly
Be mpanilikilika eo
Tsisy mpankatia hampifaly

Ny avy agny atsimo,
mila Anao
Ny avaratra agny
mila Anao
Na boaka Antignana
Mila Anao
Na boaka andrefa
Mila Anao
Na avy ampovoany
Mila Anao
Na antsisintany
Mila Anao

Tompo ô!
Mhm... Tompo ô!

Ny asa ratsin-dreo dahalo
Mampihoron-koditra isan'andro
Isan'andro feno malo
Io na hariva na antoandro

Zahay marary
Mila Anao
Maniry ny tsara
Mila Anao
Mba tehanjary
Mila Anao
Ô Zagnahary
Mila Anao

Vonjeo!
Mhm vonjeo...




Marary mafy ny Nosinay
Fa misy tsy mihinan-kanina
Avia malaky ampio izahay
Fa maforaigny
Mampisaigny!

Ny olo tsy mifankatia
Mifamitaka
Mandrava velogno
Mifamono mifandaka


Ny avy agny atsimo,
mila Anao
(Mila Anao)
Ny avaratra agny
mila Anao
(Mila Anao)
Na boaka Antignana
Mila Anao
(Mila Anao)
Na boaka andrefa
Mila Anao
(Mila Anao)
Na avy ampovoany
Mila Anao
(Mila Anao)
Na antsisintany
Mila Anao
(Mila Anao)

Vonjeo izahay!
Vonjeo izahay!
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Emile
Visites : 226
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : mille
Date : 29/06/2025 11:16
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
plus...
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2714