Zaza navela (Bandin'Ambohimiadana.)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha misy mihambo ho masiaka any ho any
ny aty vain'afo mandoro avy hatrany
e e e....
Eny oooo
Raha misy mihambo ho mangidy tsy laitra
eto aty mba hahita ny tena mafaitra
e e e....
Eny ooo

Ekena fa lamaody ny hiram-bazaha
kanefa ny an'ialahy tsy mena-mitaha
e e e....
Eny ooo
Dia ho rariny ve rehefa mahitahita
manao ny an'ny tena ho valalan'aliaka
e e e.....
Eny ooo


Indreto izahay re ry dada sy neny e e e...
Mitady ny very fa zaza navela e e e...
Ry zoky sy zandry jereo ny hirantsika e e e...
Aza avela ho zary vavavan'aliaka e e e...
Raiso ny kabôsy, tendreo ny valiha e e e...
Avereno ny kalon'ikaky fahiny e e e...
Araho hirahira tsy mora hadino e e e..
Tsy ho mena-mitaha amin'ny an'ny vahiny e e e...


e e e....
Ento mora sombin'aina
e e e...
Ento mora andriamatoa


A/C: Rossy.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bandin'Ambohimiadana.
Vangy : 16
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : DaheryJunior
Daty : 26/02/2026 11:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0401