Fehezan-javakanto (Arison Vonjy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Inty ny hira
Hisolo tena mba hamangivangy
Satry ny hanome ny tsara indrindra
Hatolotra antanandroa
Ity fehezan-javakanto

Tsy hanoratra tononkalo maro
Hitantara izao rehetra izao

Ho taratry ny fo mitempo
Tsy hosembanan-tsentosento

Fa soa ihany fa nisy
Ity onjam-peo hitondra ho eo anilanareo

Hiarahana manandram-peo
Hanambatra ny saina sy ny fo amam-panahy

Tolotray eto androany
Gadon-kira fandihy falifaly
Fehezam-bonin-kazo manitra
Miloko mamiratra
Atolotra ho an'ny rehetra

Tolotray eto androany
Gadon-kira fandihy falifaly
Fehezam-bonin-kazo manitra
Miloko mamiratra
Atolotra ho an'ny rehetra

Tsy fehezan-javakanto
Sy rindran-teny ombam-pitiavana
Mba hanavaozana azy ato
Ireo efa niarahana hatrizay
Haharitra mandrakizay

Te hanoratra hanoratra
Tononkalo maro
Hitantara izao rehetra izao

Ho taratry ny fo mitempo
Tsy ho sembanan-tsentosento

Fa soa ihany fa nisy ity onjam-peo
Hitondra ahy ho eo anilanareo

Hiarahana manandram-peo
Hanambatra ny saina sy ny fo amam-panahy

Tolotray eto androany
Gadon-kira fandihy falifaly
Fehezam-bonin-kazo manitra
Miloko mamiratra
Atolotra ho an'ny rehetra

Tolotray eto androany
Gadon-kira fandihy falifaly
Fehezam-bonin-kazo manitra
Miloko mamiratra
Atolotra ho an'ny rehetra
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Arison Vonjy
Visites : 890
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : hery
Date : 03/05/2017 11:40
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2282